

Natolotra ny Fampanoavana omaly ireo dimilahy isan’ny voarohirohy ho nanafika an’i Lalatiana Ravololomanana, mpanao pôlitika; Odorante, mpanjaitra ny akanjon’ny ekipam-pirenena amin’ny taranja baolina lavalava; ary fianakaviana maorisiana iray. Fokontany telo samihafa saingy mifanakaiky no misy ny tranon’ireo fianakaviana ireo. Ny voalohany eo Ambodivoanjo, ny faharoa eo Farango ary ny farany eo Ivandry. Nasesin’ireo andian-jiolahy manodidina ny folo izy ireo. Firavaka, finday sy solosaina ary kojakojan-tokantrano, no nalain’ireo nandritra ny fandrobàna. Noho ny fiaraha-mientan’ny manodidina rehefa naheno ny antso vonjy dia voasambotra ny roa. Tonga ara-potoana ihany koa, raha araka ny fanazavan’ny voatafika, ny polisy avy ao amin’ny UIR hany ka voasambotra ireo telo izay rifatra nitsoaka. Tafaverina ny sasany tamin’ny entana. Mbola karohina ny naman’ireo jiolahy izay raha ny tombana dia miisa dimy eo izany. Manahy ny ainy kosa, sao mbola hiverenan’ireo mbola tsy voasambotra ireo, ny olona voatafika. Ny antony mantsy dia toa misy olona fantatra tarehy eo amin’ny manodidina ihany ireo voasambotry ny olona sy ny mpitandro ny filaminana. Efa hariva mihitsy vao nivoaka ny didy famonjana ireo voarohirohy ho olon-dratsy mpanafika omaly. Amin’ny 9 mey ho avy izao no hatao ny fanadihadiana ifotony ireo voakasika. Ho an’ny mpanao politika Lalatiana Ravololomanana dia maniry ny fahendren’ny Fitsarana ny tenany ny amin’izay fanapahan-kevitra horaisina momba ireo mpanafika.
D.R