- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversMpandraharaha ny fonja malagasy : Manahy ny ho avin’ny asany, noho kolikoly...

Mpandraharaha ny fonja malagasy : Manahy ny ho avin’ny asany, noho kolikoly be loatra teo anivon’ny « ENAP »

« Miha-ratsy ity asanay ity raha izao zava-misy eo anivon’ny sekoly mpanofana ny mpandraharaha ny fonja izao, no mitohy. Kolikoly avo lenta nahatongavan’ny bianco nanao fanadihadiana no zava-misy… », izay no nambaran’ireo mpandraharaha ny fonja mikasika ny zava-misy nitranga teo anivon’ny sekoly mpanofana mpandraharaha ny fonja, ao Antetezambaro Toamasina II.

Voaporofo. Taorian’ireo lisitra nisaritaka izay tsy hay intsony ny tena afaka, na ireo laharana voasoratra, na ireo anarana nipetaka, izay nisian’ny fitoriana maro be tonga teo anivon’ny Bianco ; dia tena voaporofo izay fa nisy tokoa ilay kolikoly avo lenta teo anivon’ity sekoly mpanofana ny mpandraharaha ny fonja (ENAP) ity, izay firaisana tsikombakomba avo lenta ihany koa. Ny 01 avril teo, taoriana ny fitoriana nataon’ity ramatoa nakana vola 04 tapitrisa ariary niampy 06 alina ariary ho vidin’ny fiantsoana, dia nanaiky ny nandoa ny vola nalainy ingahy V.P na « patrôn’aomby » izay havan’olona ambony eny Mahazoarivo eny. Tao Tetezambaro no natao ny fandoavana ny vola araka ny fifanarahana teo aminy sy ilay ramatoa nofitahana nakana ny vola ho fahafahan-janany teo anivon’ny sekoly.

Tsy hahazoam-baovao. « Ahoana no hahatokisan’olona ny asan’ny mpandraharaha ny fonja intsony raha izao kolikoly avo lenta izao no zava-misy. Ny resa-be mikasika ny mpiandry fonja aza efa tsy lazaina intsony na eo ny ezaka atao, vao mainka misy ny zavatra toy izao ?… Hanahirana izao atsy ho atsy », hoy hatrany ireto mpandraharaha ny fonja ireto. Ao anatin’izao raharaha izao anefa, dia tsy hahazoam-baovao sy tsy hahenoan-teny mihitsy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny ENAP ; ka mahatonga ny fianakavian’ireo manan-janaka niatrika fanadinana tsy afaka manahy, fa « misy fahamarinany ny zava-misy matoa tsy miteny ». Nefa ho hita eo ny fanadihadiana nataon’ny Bianco Toamasina teo anivon’ity sekoly ity ; izay tsy maintsy hiakatra fitsarana manokana tsy ho ela araka ny vaovao azo.

Ankoatra izany, dia nilaza ireo mpandraharaha ny fonja, fa ahiany hitranga ny fitokonana raha tapitra ilay 72ora nomen’izy ireo ny fanjakana hamaliana ny fangahatany ; dia manao ny asa amin’ny fisahanana ireo voafonja hatrany izy ireo, fa ny fampidirana voafonja vaovao no tsy hisy mandritra izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici