Tany amin’ny Ambodivona Tsarahonenana any amin’ny kaominina Antsirabe II no niseho ny ady tanaty BAR, namoizana ain’olona iray tamin’ny alahady lasa teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mpinamana roalahy no niaraka nisotrosotro tao anaty BAR iray. Tamin’ny voalohany, nandeha tsara ny “revy”. Rehefa niakatra anefa ny daozin’ny alkaola, nisy ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Niakatra ny feo, hoy hatrany ny vaovao voaray. Voalaza fa tsy nahatanty izany zavatra izany anefa ny iray ka lasa nivoaka ary naka antsy. Vao tafaverina izy dia nasiany tamin’izany ilay niaraka nisotro taminy. Teo amin’ny hatok’ilay lehilahy no niantefa ny antsy. Tsy vitan’izany, fa natosiny ka rehefa nitsirara tamin’ny tany dia mbola notsindroniny teo amin’ny lamosiny. Noho ireo ratra roa ireo, tsy nahahetsika intsony ilay voatsatoka antsy. Nijininika ny rà. Raha nahita izany ireo rehetra tao amin’ilay toerana fisotroana dia nanomboka nitangorona. Ilay avy namely kosa, lasa nandositra. Ny nahamaika ireo olona, dia ny nitondra haingana ilay naratra tany amin’ny trano fitsaboana. Tsy tonga tany amin’ny hopitaly anefa dia namoy ny ainy ilay lehilahy.
Tsy niandry ela fa haingana dia haingana dia nivondrona ny olona rehefa avy nampandre ny mpitandro filaminana. Nenjehina ilay mpamono olona ka tsy lasa lavitra dia tratra. Nentina tany amin’ny biraon’ny zandary hofotorana ary indrindra ho fiarovana azy. Tetsy andaniny, tezitra ny olona ary efa saika hanao fitsaram-bahoaka. Hatramin’izao aloha, hoy hatrany ny vaovao, tsy fantatra marina ny fototry ny fifamaliana sy ny fifandirana teo amin’ireo olona roa. Tsy hay na be loatra ny toaka lany ka lasa nivaona any amin’ny tsy tokony ho izy ny fandehan-javatra.
r.s.