Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaham-pitsarana izay nifanandrinan’i Rina Rasoava sy Sam Tsong. Sazy mihatona mandritry ny 45 andro miaraka amin’ny fandoavana onitra izay mitentina 250.000 ariary ho an’ny voalohany ary 300.000 ariary no navoakan’ny fitsarana misahana ady heloka tsotra. Raha bangoina tsotra izany dia nitovy ny sazy nahazo ireo olona roa tamin’ny fifampikasihan-tànana. Ny teo amin’ny fitazomana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna kosa dia toa vitavita mora foana. Sady efa lany daty anefa ny taratasy no mbola tsy amin’ny anaran’ilay olona nitazona azy ihany koa ny tao anatiny. Tamin’ny ankapobeny dia saika niompana tamin’izany avokoa ny resaky ny olona maro izay nanatrika ny fitsaràna ny alarobia ary tonga nihaino ny didy omaly. Raha tsiahivina dia raikitra ny fifamaliana izay niteraka fifampikasihan-tànana rehefa saika nifandona ny fiara tetsy Maharidaza. Tao anatin’izany no nisian’ny basy nipoitra tampoka nentina nampihorohoroana an’i Rina Rasoava. Niakatra teny amin’ny zandary ny raharaha izay nifampitorian’izy roalahy. Nandritry ny fotoam-pitsarana indray dia voaporofo ny tsy fisian’ny taratasy ara-dalàna momba ny basy. Samy nanazava ny heviny kosa ny roa tonta noho ny antony niadivan’ireo ary ny fampanoavana dia nandray izany fanamelohana izany.
D.R