- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy nangalatra fiara, nifatratra tamin’ny tranon’olona

Toliara : Tovolahy nangalatra fiara, nifatratra tamin’ny tranon’olona

Fianarana namily fiara niafara tamin’ny lozam-pifamoivoizana saika handatsahana ain’olona.Tovolahy iray voalaza fa mamon-drongony, nangalatra nitondra fiaran’ny dadatoany, izay nianatra familiana no namoa-doza ny harivan’ny alahady teo tany Toliara. Tsy voafehiny ny familiana, tsy nijanona ilay fiara nentiny nirimorimo sy nibilabila eran’ny lalana raha tsy tany an-tranon’olona. Noho ny hatezeran’ny olona dia saika matin’ny fitsaram-bahoaka noho ny daroka sy vono mafy nahazo azy ity tovolahy ity izay naratra mafy. Tsy nisy aina nafoy tamin’ity loza ity fa ny fahasimban-javatra no mitentina an-tapitrisany maro.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici