- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversZandary niasa tao Fianarantsoa : “Tsy matin’ny lozam-pifamoivoizana izany » hoy ny...

Zandary niasa tao Fianarantsoa : “Tsy matin’ny lozam-pifamoivoizana izany » hoy ny havany

Niakatra teto an-drenivohitra mihitsy ary nanazava fa manahy izy ireo fa novonoina ny havan’izy ireo. Tsy iza izany fa ny zandary tsipika telo Mboazy Renera izay namoy ny ainy ny 28 janoary lasa teo rehefa nolazaina fa niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Raha ny fanazavan’i Lercia, rahalahin’ny maty, dia nanaitra azy ny fanazavan’ny manamboninahitra kolonely roa izay sendra nifanena taminy. Nilaza mantsy ireo fa tokony hahery izy fa tsy maintsy hitranga ny marina. Nanomboka teo dia niezaka ny nanao fanadihadiana tsotsotra ny tenany. Ny tena naharesy lahatra azy, raha ny fanazavany, dia ny fahitany goaka teo amin’ny tendan’ny maty, miendrika diam-bala, tamin’ny fotoana nandevenana azy. “Nangataka autposie izahay nefa tsy tontosa mihitsy izany noho ny tsy fahampian’ny taratasy fahazoan-dàlana izay voasakana hatrany” raha araka ny fanazavany hatrany. Tsy nety nahazo ny firaiketana an-tsoratra rehetra mahakasika ilay fahafatesana mihitsy ny fianakavian’ny maty ary torak’izany ihany koa, tsy mba fantatra mihitsy hatramin’izao ilay olona nahavanon-doza, hoy ihany izy ireo. Tsy mba nampahafantarina anay mihitsy izy ary na ny fiara nandona azy aza dia tsy hitanay hatramin’izao, hoy ireo manohy ny fanazavany. Izany rehetra izany no nahatonga azy ireo niakatra aty an-drenivohitra ka hametraka ny fitoriana sady manainga ny manam-pahefana, indrindra ny eo anivon’ny zandarimaria, mba hanaraka akaiky ity raharaha ity…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici