“Tsy mazava ny baikon’ny syndikanay izay mandroso mihemotra tamin’ny hafatra nataony taty aminay, ka nisafidy niasa izahay manohy ny fisahanana ireo voafonja arahanay maso eto”, izay no nambaran’ireo mpandraharaha ny fonja tao Toamasina, izay hita niasa avokoa omaly alatsinainy.
Nambaran’izy ireo fa nisy ny taratasy nalefan’ny sekretera jeneralin’ny syndika sy ny filohan’ny syndika tamin’ny fanomanana ilay fitokonana nandritra ny fanomezana ilay 72 ora ny 06 aprily teo. Tsy nisy kosa anefa ny taratasy nataony nilaza mazava ny fanombohan’ny fitokonana nanomboka omaly, hoy hatrany ireto mpandraharaha ny fonja Toamasina. Tao anatin’izay anefa dia namoaka naoty tamin’ireo talem-paritry ny fonja sy ireo lehiben’ny fonja manerana ny nosy ny tale jeneralin’ny mpandraharaha ny fonja, milaza ny tsy maintsy hanohizan’izy ireo ny asa aman-draharaha toy ny andavanandro, sy fisahanana ireo voafonja izay sahanin’izy ireo avy. Miandry ny hevitra matotra amin’ny syndikan’ny mpandraharaha ny fonja izany ireo mpiasan’ny fonja ao Toamasina, vao hiroso amin’ilay fitokonana voalaza.
Omaly izany dia mbola nandray ireo antontan-taratasy famonjana navoakan’ny fampanoavana tao Toamasina ny fonjaben’i Toamasina, misokatra ihany koa ny birao samihafa tao Ambalatavoahangy.
Malala Didier