- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara II : Maty nokapain-drangahy famaky ny vadiny

Toliara II : Maty nokapain-drangahy famaky ny vadiny

Resaka hasarotam-piaro diso tafahoatra, renim-pianakaviana iray no maty nokapaim-badiny ny famaky, ny alin’ny asabotsy teo, tany amin’ny Distrikan’i Toliara II. Raha ny loharanom-baovao dia tsy tafody an-trano nanomboka ny zoma ramatoa fa namonjy fahoriana tamina tanàna kely iray avaratr’ Ankililoaka. Nokarohiny tany an-tranon-drafozany ny vadiny ka tratrany tao niresaka tamina lehilahy iray hafa. Notaominy handeha hody hiaraka aminy ramatoa avy eo nefa tsy nety fa mbola misy resa-pianakaviana tsy vita, ka ny maraina vao hody.

Mamo. Lasa izy nandeha niritona nentin-katezerana. Ora iray taorian’io niverina izy sady efa mamo toaka no nisintona ny vadiny nivoaka ny trano. Nandrara azy tamin’ity fihetsiny feno herisetra ny rafozany nefa nomeny ny totohondry ka niboba rà ny orony sy ny vavany. Raikitra ny savorovoro, ka vao mainka nisafoaka ity lehilahy namono ny rafozany, ka ny vadiny izay nandrara azy indray no tonga dia nokapainy tamin’ny famaky ary naratra mafy. Nentina haingana namonjy tobim-pitsaboana, kanefa teny an-dalana dia tapitra ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra.
Karohina. Nitsoaka kosa ilay nahavanon-doza ka mbola karohina hatramin’izao. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany dia efa ela ireto mpivady no manana olana noho ny hetraketrak’ity lehilahy. Nisy fotoana nisaraka mihitsy nefa nifona tsy hamerina ny fomba ratsiny intsony ity raim-pianakaviana ka nilefitra ihany ramatoa noho ny fitsinjovany an’ireo zanany telo mianadahy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici