Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Masay, Andranobevava omaly tolakandro. Fiara kely iray marika “Byd” no nifandona ary tafisitrika mihitsy tao ambanin’ilay fiara tsy mataho-dalana teo alohany. Sendra vintana nitsiky ireto olona tao anatin’ireto fiara, ka mba samy tsy nisy naninona tamin’ity loza ity. Tetsy andanin’izay kosa anefa, potika tanteraka ny lohan’ity fiara nandona avy aoriana ity. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tany ho any no niseho ny loza, raha ny filazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Nandeha mafy dia mafy avy any Ankorondrano any ilay fiara kely Byd. Tsy fantatra na sendra variana ny mpamily azy io, na ihany koa hoe vahiny eto an-drenivohitra, tsy nahatsikaritra velively ilay dongona fampihenana hafaiganam-pandeha, alohan’ny hiditra ny “rond point” eo Andranobevava io. Somary nanidina kely ilay fiara, raha ny fitantaran’ireo mponina hatrany ary nifatratra teny amin’ny vodin’ilay 4×4 teo aloha. Mafy dia mafy ny fifandonana. Zary tafahodina sy tafatodika toy ny ho any Ankorondrano indray ny lohan’ilay “Byd”. Potika tanteraka ny lohan’ity farany, nahitana fahasimbana ihany koa ilay voadona. Na dia toa izany aza anefa ny hamafin’ny fifandonana dia tsy naningotra ain’olona na rà latsaka ity lozam-pifamoivoizana ity. Rehefa avy nifampiraharaha ny roa tonta dia samy nanesotra ny fiarany simba teny an-toerana. Fa mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, nitranga teny Anosizato omaly. Mpitaingina môtô sy mpitaingina bisikleta indray no nifandona teny an-toerana. Samy naratra mafy izy roalahy ireto, saingy ilay mpitondra bisikleta no voa mafy kokoa, raha ny vaovao azo. Samy nentina novonjena haingana teny amin’ny hôpitaly avokoa moa ireto naratra ireto.
m.L