- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMiandrivazo : Halatra omby, olona iray maty voatifitra

Miandrivazo : Halatra omby, olona iray maty voatifitra

Ny alahady faha-10 aprily teo, dahalo miisa folo nitondra basimborona no tonga nanafika tanana iray atao hoe Soaloka any Miandrivazo. Vao maraina be tamin’izay tokony ho tamin’ny 5 ora. Samy mbola tany an-tranony avokoa ny rehetra. Tsy sarotra tamin’ireo mpangalatra no naka ny omby tany anaty vala very tamin’io fotoana io, lasa ny omby miisa hatrany amin’ny 30. Tsy vitan’ny hoe lasan’ireo mpandroba ny omby fa nahafaty olona ihany koa izy ireo. Lehilahy iray no namoy ny ainy ary olona telo no naratra, hoy ny vaovao voaray. Manjaka tenteraka ny asan-jiolahy amin’izao fotoana izao any amin’iny faritra iny. Saika isan’andro no andrenesana fandrobana miharo vono olona any an-toerana. Tamin’ny fanafihana niseho farany teo, nanao ny fanarahan-dia ny zandary ao amin’ny PA Soaloka sy ny fokonolona any an-toerana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici