- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Fiara sprinter nanidina nitontona teo ambony tafo, potika ilay trano

Ambatondrazaka : Fiara sprinter nanidina nitontona teo ambony tafo, potika ilay trano

Ny mpanampy ny mpamily nandray ny familiana rehefa avy nosasana ity fiara lehibe sprinter ity no nahataitra ny rehetra satria nitrena ilay fiara, dia poa toa izay dia tafatontona teo ambony tafontranon’olona iray. Toerana somary ambony no nanasana ilay fiara, hantsana ny manodidina ka izay no nampilatsaka ity fiara ity teo ambony tafon’olona .Mpianatra no tompon’ny trano ary mbola tsy nirava izy ireo tamin’ny nitrangan’ny loza satria mbola teo amin’ny 5 ora sy sasany hariva teo ho eo. Tonga dia tafapetraka teo ambony farafara ilay fiara ,mazava ho azy fa potika avokoa ny fitaovana rehetra tao an-trano. Ilay fiara kosa dia potika ny fitaratra anoloana sy ny manodidina azy. Nandohalika nivavaka kosa izy roalahy mipetraka tao amin’ilay trano rehefa nirava avy  nianatra nahita ity fiara efa tao an-trano, izany hoe tsy maty fo aman’aina. Samy taitra avokoa ny manodidina noho ny fipoahan’ny fidobok’ilay fiara  izay tafatsambikina hady lehibe iray. Tokony hisy hatrany ny fitandremana amin’ireny mpanampy ny mpamily ireny satria matetika mampidi-doza izy ireo tato ho ato izay.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici