- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Folo lahy nitondra “kalach” telo nanafika « épicerie »

Itaosy : Folo lahy nitondra “kalach” telo nanafika « épicerie »

Na dia tsy nisy basy nipoaka aza, nihorohoro ny iray trano ary nanaraka izay nolazain’ny jiolahy

Tsy alim-be akory fa vao tamin’ny valo ora alina dia efa mivoaka ny jiolahy mitam-basy. Miisa folo izy ireo raha araka ny fitantaran’ny voatafika. Mitondra basy lava, “kalachnikov”, ny telo tamin’ireo. Tsy nisy na inona na inona azo natao ankoatra ny nanaiky ny baikon’ireo olon-dratsy. Sady betsaka mantsy no mbola mitam-piadiana mahery vaika ihany koa. Nomena ny vola rehetra maty tao anaty fitooeram-bola. Raha ny fanazavana azo dia mitentina 1,5 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Izany dia ankoatra ny entana azo nalaina tao amin’ilay toeram-pivarotana. Nisy ihany ny herisetra fa ny zava-dehibe dia tsy nisy ny namoy ny ainy, hoy ireo olona. Folo minitra taty aoriana no tonga ny zandary,saingy tao anatin’izay fotoana izay dia efa tsy hita izay nanjavonan’ireo jiolahy. Manao fanamiana pôlisy ireo telo nitondra “kalachnikov”. Asa izany na entina mba handrebirebena fa mpitandro ny filaminana no nanafika, na koa tena izy ireo mihitsy. Ny fanadihadiana no hanamarina an’izay. Efa manomboka mazava rahateo ny momba ireo basy ampiasain’ny olon-dratsy mpanafika eto Antananarivo. Tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana ihany no afaka mampiasa “kalachnikov”. Misy ny mampanofa na koa mivarotra an’izany. Miandry ny olona ny amin’izay mety mba hahalasa lavitra ny fanadihadiana momba ity fiparitahan’ny basy ity. Ary indrindra koa ny amin’ny fandraisana andraikitry ny fitsarana ny amin’ny hanomezana sazy izay meloka. Tsy azo eritreretina mihitsy mantsy ny fandrosoana raha mbola  ao anatin’ny tsy fandriampahalemana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser