- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Ramatoa tratra nivarotra rongony tao an-tranony

Ambohimanarina : Ramatoa tratra nivarotra rongony tao an-tranony

Vehivavy iray no tra-tahaky ny polisy nivarotra rongony tao an-tranony tamin’ny faha-11 aprily lasa teo teny Ambohidroa Ambohimanarina. Nahazo vaovao ny polisy miady amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina fa misy olona mivarotra rongony eny an-toerana. Rehefa nofotorana izy dia nilaza fa tsy azy ireo rongony ireo fa an’ny sipany avy any Toliara. Fonosana rongony efa vonona ny hamidy miisa 35 no hita tao an-tranony. Nanampy izy fa iray volana no nivarotany an’io zava-mahadomelina io. Ankoatra ity vehivavy ity, lahilahy iray koa no tratra tao an-tranony. Tsy mpivarotra izy io fa mpifoka rongony efa an-taonany maro, araka ny filazany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici