# – Andravoahangy. Lehilahy hita faty tao anaty hotely. Ny alahady lasa teo no nahitana fatin-dehilahy tao amina hotely iray etsy Andravoahangy. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa eo amin’ny 5O taona eo ity olona ity. Avy nivarotra teny an-toerana izy tamin’io andro io. Rehefa nojerena ny razana dia nahitana ratra tamin’ny faritry ny lohany. Fantatra ihany koa, araka ny vaovao hatrany fa nisy vehivavy niaraka taminy tamin’io fotoana io. Rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia efa voatazona ary atao famotorana io olona io.
# – Ampefiloha. Andiana mpanendaka amin’ny taxi-be. Tamin’ny alatsinainy teo, nisy andian’olona miisa hatrany amin’ny 12 lahy manendaka mpandeha anaty taxi-be teny Ampefiloha. Amin’ny fotoana hijanonan’ny fiara eny amin’ny « arrêt » no mamely ry zalahy, araka ny vaovao voaray. Hampihorohorony ny olona, hambanany antsy ary halainy ny finday sy ny vola. Ny vehivavy no tena lasibatra amin’izany, hoy hatrany ny vaovao. Tamin’io andro io, efatra no nitondra faisana. Lasa mandeha ny fiara avy eo, ry zalahy mijanona eo an-toerana ihany.
# – Ambanja. « Grossiste »tratra nivarotra entana lany daty. Tratra ary tsy afaka niala intsony ny mpivarotra ambongadiny iray tany Ambanja, nivarotra entana efa lany daty. Ny vaovoa no nahalalana fa lafarinina efa mitambatra milanja 2 taonina no nosivaniny ary avy eo namidiny. Teo ampanaovana izany fihetsika izany izy no nisy nahita. Tonga nizaha ny zava-nisy ny tompon’andrikitra ary tsy afaka ilay mpivarotra. Tsy any amin’iny tanana iny ihany no miasy mivarotra entana lany daty fa saika manerana ny firenana iray manontolo. Misy ireo manao hosoka manolo ny fonon’ny entana simba amidiny ary dia jambena eo ny rehetra.
nangonin’i r.s.