Lehilahy iray manodidina ny 40 taona eo, no hita faty tao Ambohidranandriana Antsirabe faharoa .
Olona sendra nandalo hamonjy asa vao maraina no nahita ity fatina rangahy iray ity tao Andranomadio, fokontany Soamonina, omaly maraina be. Tsy nisy nahafantatra ny tena antony nahafaty azy aloha hatreto, fa vatana efa nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny olona . Avy hatrany dia nampandre ny teo anivon’ny fokontany ilay nahita ny razana, nanaraka ny zandary sy ny dokotera tomponandrakitra tany an-toerana avy eo. Nirohotra nijery ny zava-misy koa ny mponina sao mba olom-pantatra ity rangahy ity, saingy tsy nisy nahalala azy ny olona teo an-toerana. Tsy nisy taratasy na zavatra hafa mety namantarana azy rahateo tany aminy. Nandritra ny fizahana ny razana hatrany no nahafantarana, fa nisy ratra teo amin’ny tratrany ary nivoaka rà ny taovam-pananahany. Tombanan’ny maro noho izany, fa mety vono no nahafaty ity rangahy ity,tsy misy afaka ny hitompoteny fatratra amin’izany anefa, fa ny fanadihadiana no hamantarana ny tena marina. Efa niely mantsy ny resaka tao amin’ny kaominina, fa resaka halatra taova no antony nahafaty io lehilahy io. Nambaran’ny ben’ny Tanana tao an-teorana, fa tsy marina izany ary tsy misy ifandraisany amin’ny resaka taova mihitsy ny fahitana ny ratra teo amin’ny ilan-tratrany sy ny rà nivoaka teo amin’ny filahiany. Efa noraisin’ny kaominina an-tànana ny fikarakarana ny razana sy ny fampandrenesana samihafa amin’ny haino aman-jery milaza izay mety mahafantatra ity rangahy hita faty ity. Raha tsy misy moa ny fakan’ny fianakaviany azy, dia halevin’ny kaominina ny razana.
Andry N.