- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Potiky ny afo ny tsenan’ny tantsaha Andrefantsena

Antsirabe : Potiky ny afo ny tsenan’ny tantsaha Andrefantsena

Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva no nijoalajoala ny afo teny Andrefatsena, ao amin’ny tsenan’ny tantsaha Antsirabe. Tany amin’ny 8 ora alina tany, mbola tsy maty ny afo. Araka ny fantatra, trano iray no niandohan’ny fahamaizana ary dia nihanaka tamin’ireo fivarotana hafa teo akaikiny izany.  Efa tamin’ny 7 ora sy sasany alina vao nisy mpamono afo tonga teny amin’ilay toerana, mpamono afo avy ao amin’ny « groupe SOCOTA ». Sarotra, araka izany ny famonjena ireo entana rehetra izay voalaza fa vokatry ny tany tokony hamidy ny ampitso maraina. Ny tena nahatonga saina ny rehetra, ny nafitsok’ireo mpanararaotra tonga handroba fotsiny. Tsy vitsy izany, hoy ireo nahita ny fandehan-javatra.  Eo amin’ny 30 eo ho  eo ny fivarotana kila tanteraka.

Velom-pimenomenonana ny mponin’Antsirabe amin’izao fotoana iao. Telo volana lasa izay no nampanantenaina izy ireo, fa hisy ny mpamonjy voina ho an’ny kaominina any an-toerana. Hatramin’izao anefa, tsy mbola misy izany. Tanana iray lehibe manaraka ny Renivohitra anefa Antsirabe, raha ny fivelatry ny tanana sy ny hamaroan’ny mponina no lazaina.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici