- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy : Saofera maty tampoka teo am-pamiliana

Ampanihy : Saofera maty tampoka teo am-pamiliana

Mpamily iray nitondra fiara hihazo an’i Taolagnaro no maty tampoka teo am-pamiliana fiara, ny alatsinainy lasa teo, tany amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana. Voalazan’ny loharanom-baovao sy ny olona akaiky azy fa salama tsara ity saofera nindaosin’ny fahafatesana tampoka ity. Gaga anefa ny namany teo akaikiny izay nanampy azy tamin’ny familiana ilay fiara raha nahatsikaritra fa efa tsy miaina intsony izy, ary tsy nandeha nahitsy intsony ny fiara fa nivilivily eran’ny làlana. Soa fa tsy nandeha mafy ity fiara, fa saika zava-doza no nahazo ny mpandeha rehetra. Mbola tsy voafaritra mazava kosa hatreto ny antony nahafaty ilay mpamily, voalazan’ny loharanom-baovao voaray hatrany mantsy, fa antsasak’adiny taoriany izy avy nisakafo  izao tra-doza izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici