- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversMorombe : Lehilahy mpivaro-mandeha iray, tsy hita faty natelin’ny reniranon’i Mangoky

Morombe : Lehilahy mpivaro-mandeha iray, tsy hita faty natelin’ny reniranon’i Mangoky

Lehilahy mpivaro-mandeha iray voalaza fa nanota fady nandeha nilomano tany amin’ny reniranon’i Mangoky, no maty natelin’ny rano, afak’omaly, tany amin’ny distrikan’i Morombe, ary mbola tsy hita faty na dia nokarohina aza. Raha araka ny loharanom-baovao voaray, dia nisy ny fombafomba nataon’ireo tompon-tany any an-toerana, kanefa tsy nahitam-bokatra izany, hatramin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Araka ny loharanom-baovao azo hatrany, dia efa fomban’ io renirano io ny maka olona toy izao, indrindra rehefa fotoanan’ny fararano toy izao. Jerena marivo mantsy ny rano rehefa lasa ny orana, kanefa misy faritra tena lalina tokoa, ka izay tafiditra ao dia tsy hita ary tsy niverina intsony.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici