- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Bus nivarina tany an-tanimbary

Antsirabe : Bus nivarina tany an-tanimbary

Fiara mpitatitra iray mampitohy an’Antsirabe sy Vinaninkarena no nivadika sy nifatratra tany an-tanimbary.

Zava-doza no nahazo ilay bus sprinter iray nitondra mpandeha am-polony maro omaly hariva tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo ho eo. Nikasa ho any Vinaninkarena ity bus ity izao tra-doza izao. Teo amin’ny fidinana be antsoina hoe lavarano ilay fiara no avy hatrany dia  nifatratra tany an-tanimbary, marihana fa  hantsana no misy an’io tanimbary io, miala 8 metatra ny arabe eo ho eo. Nivadika tanteraka ilay fiara vao tafajanona teo amin’io tanimbary io. Araka ny fitantaran’ny olona iray, isan’ny mpandeha tamin’io fiara io dia naheno feon-javatra nipoaka mafy ny tenany, ka tsy voatanan’ny mpampily intsony ny famialiana, dia io nifatratra any an-tanimbary io. Raha ny filazan’ity farany hatrany moa dia toa heveriny fa tapaka ny familiana ka tsy nisy azo natao intsony, ny lalana rahateo fidinana lava be. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy hatramin’izao ora nanoratana izao fa saika naratra mafy avokoa ny mpandeha rehetra. Ny mpamily no voatery nosokirana tao anaty fiara vao afaka. Tokony ho mailo hatrany ny mpamily sy ny tompona fiara amin’ny tsy fahatomombanan’ny fiara mpitatitra toy izao fa ny vahoaka no miharitra sy voa mafy hatrany rehefa avy ny loza.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici