Efa tena reraka tanteraka ity miaramila mitondra ny gradina kaporaly ity teny am-pangalàna azy tany amin’ny toerana niafenany, raha ny fanazavàna azo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nahitana poizim-boalavo ihany koa tany aminy. Asa raha hoe saika hamono tena angamba ny lehilahy taorian’ny zava-doza nataony. Ny talata hariva lasa teo no nosamborina ity miaramila ity, izay namono nahafaty ny sakaizany teny Ampitatafika ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny fanazavàna azo hatrany no nahafantarana fa izy ihany no niantso ireo lehibeny tetsy amin’ny Toby miaramila Ampahibe, toeram-piasàny haka azy tany, taorian’ny andro vitsivitsy nitsoahany. “Angamba tsy nisakafo mihitsy izy tao anatin’izay telo andro nitsoahany izay. Antony nampalemilemy azy. Mbola tsy nokitihany kosa aloha ireo poizina tany aminy” hoy ny fanazavàna hatrany. Taorian’izay dia natolotra avy hatrany teny amin’ireo zandary ao amin’ny borigadin’Itaosy, misahana ny fanadihadiana ity raharaha vono olona ity, ity kaporaly ity ary notazomina tao. Efa mandeha ny fanadihadiana azy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Ary fantatra fa atolotra ny Fampanoavana anio ity miaramila ity. Raha tsiahivina kely ny zava-nitranga dia tamin’ny fomba mahatsiravina tokoa ny namonoan’ity tovolahy ity ny tovovavy sakaizany teny Ampitatafika, ny sabotsy hariva teo. Notsindromina zava-maranitra ny lohany, teo amin’ny fihirifany. Tsy vitan’izay anefa fa mbola feno ratra ihany koa ny vatany. Fifamaliana mafimafy teo amin’izy roa no henon’ny manodidina tamin’io fotoana io, kanefa dia izao niafara tamin’ny fikasihan-tanana sy famonoana ho faty izao mihitsy. Nitsoaka ity tovolahy miaramila ity taorian’ny zava-doza nataony, ary tsy hita mihitsy. Teny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana avy hatrany ny raharaha ary nisy ny fikarohana natao. Teo ihany koa ny antso avo nataon’ireo fianakavin’ny maty, hikarohana ity mpamono olona ity, nanerana ny tambajotra sosialy. Tsy hita tany nanjavonana anefa hatreo ny lehilahy, hatramin’io talata hariva niantsoany ny lehibeny io.
m.L