Tao anatin’ny volana iray izay, nihorohoro ny mponina eny Ankadifotsy, Behoririka tonga hatreny Andraharo sy ny toerana handrenesana asan-jiolahy rehetra eto an-drenivohitra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mitondra sabatra lava lela sy basy ry zalahy ireo. Voalaza hatrany fa tsy sarotra amin’ireto andian-jiolhy ireto ny miditra amina trano ho robainy. Herinandro maromaro lasa izay, tokatrano iray teny Ankadifotsy no lasibatra. Tamin’ny 1 ora sy sasany maraina, novakian’izy ireo ny varavarana hazo ary teo izy no niditra. Ny efatra ny tao an-trano, ny telo niandry teny ivelany ohatran’ny hanakana izay olona hanampy ireo voatafika. Rehefa tafiditra ireo mpandroba dia nitaona ny entana rehetra iverimbarina ary tsy natahotra mihitsy na dia nisy olona nahita aza. Tamin’io alina io, nisaron-tava ireo mpangalatra ireo. Efa nisy niantso ny mpitandro filaminana fa efa lasa ireo jiolahy. Tonga hatrany Ambodivona ireo mpitandro filaminana ireo ary nifanehitra tamina olona iray. Rehefa nanontaniana izy io dia tsy afaka nilaza mazava ny nahatonga azy teny. Nentin’ny mpitandro filaminana tany amin’ilay trano vaky ka avy hatrany dia tadidin’ireo voaroba fa io no nisava ny poketra tao an-trano. Efa nalefa eny Antanimora io voasambotra io.
Tsy nijanona teo anefa ny asan’ireto « bande des 7 » ireto fa mbola manao ny ataony ry zalahy. Vao afak’omaly no fantatra fa io andian-jiolahy io ihany no nandroba teny Andraharo, araka ny vaovao voaray. Ny fanendahana ataony, andro aman’alina. Izay sendra azy ireo mitondra faisana avokoa. Ankoatra ny endaka, nisy ny noratrainy. Mihorohoro tanteraka ny mponina eny amin’ireo faritra voalaza etsy ambony ireo.
Nangonin’i r.s.