# – Ambohitrarahaba. Sesilany ny halabotry. Isaky ny alina no andrenesana vaky trano eny amin’ny faritra Ambohitrarahaba. Manjaka ary tsy mety tapitra ny hala-botry amin’izao fotoana izao. Vao tamin’ny alin’ny alarobia, trano iray no nisy namaky ary lasan’ireo olon-dratsy ny akoho. Talohan’izany, trano hafa ihany koa no lasibatra ka very ny kojakoja maro. Tsy mifidy angalarina ry zalahy amin’izao fotoana izao. Misy koa anefa ny milaza fa ireny mpampiady akoho ireny no tena manao ny ataony. Raha manana karazan’ akoho tsaratsara fampiady ianao dia tonga ry zalahy mangalatra izany andro aman’alina.
Articles qui pourraient vous intéresser