Horohoro sy hatairana no nahazo ny ray aman-dreny nandre ny tranga niseho tao amin’ny sekolim-panjakana iray mahakasika ny « Ambalavelona » teo anivon’ny sekoly. Ankizy iray no nitrangan’ny aretina tamin’ny voalohany. Taitra avokoa ireo efa niharan’ny aretina ka dia samy nihetsika avokoa araka ny vaovao voaray. Rehefa nojerena akaiky, mahatratra hatrany amin’ny folo no hita nivalampatra,nikiakiaka sy nitoreo,nitomany ka samy nivarahontsana ny mpianatra rehetra.Nihorohoro natahotra,nalemy,nitomany ireo ankizy nahita ity tranga ity, indrindra ireo mbola ty voa. Ireo tao amin’ny kilasy fahenina dia nisy tsy naharay lamba sy kitapo fa natahotra nitady ireo zokiny tamin’ny kilasy ambony hilefa handehanana hody. Ny faha 14 aprily 2016 teo no nitrangan’izany teto Ambatondrazaka ka lasa resabe teo anivon’ny fiaraha-monina sy ny ray aman-dreny.Raha tany amin’ny taona 1982 tany ho any no nisian’ny fikatonan’ny sekolim-panjakana teto Ambatondrazaka mahakasika ity Ambalavelona ity dia izao indray, satria nanomboka ny alakamisy sy ny zoma faha 14 sy 15 aprily 2016 dia tsy nianatra ny mpianatra tamin’io sekolim-panjakana io fa nohamafisina ny fanompoam-pivavahana,izay niantsoana ireo mpiandry,nandray andraikiatra ihany koa ny mpianatra sy ny mpanabe.Hatreto dia samy mandray fepetra avokoa ny rehetra ka inoana fa hilamina tsy ho ela ity tranga izay voalaza fa ambalavelona sy ny herin’ny maizina ity mangeja azy ireo.
Janus R