- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Fianakaviana iray norobaina fito lahy

Ankadifotsy : Fianakaviana iray norobaina fito lahy

Ny alin’ny alakamisy tokony ho tany amin’ny 1 ora sy sasany tany, bandy voalaza fa miisa fito no nandroba tao amina tokantrano iray tetsy Ankadifotsy.Voalaza fa fitaovam-piadiana maro no teny amin’ireto mpangalatra ireto. Araka ny loharanom-baovao, nodomin’ireo jiolahy mafy indroa ny varavarana ary vaky, dia teo ry zalahy no niditra. Olona efatra no tao an-trano tamin’izay. Teo anoloan’ny fivatravatran’ireo olon-dratsy, tsy nisy afaka nihetsika ireo tompon’ny trano. Hany hery, nilefitra ary nanaraka ny fandrahonana. Maro ny zavatra lasan’ireo jiolahy. Araka ny vaovao hatrany, tsy tao an-trano ny roa tamin’ny zanak’ireo tompon-trano fa lasa niasa tany amin’ny faritra.

Raha ny fitantaran’ireo niharan’ny halatra, ireto jiolahy ireto ilay antsoin’ny mpitandro filaminana hoe « bande des 7 ». Amin’iny faritra iny mantsy izy ireo no tena manao ny ataony. Ny fomba namakiany ny varavarana dia mampahatsiahy izay niseho teny Befelatanana Ankadifotsy, herinandro maromaro lasa izay. Efa fantatry ny mpitandro filaminana io fanadrobana ny alakamisy alina io. Misy araka izany ny fanadihadiana mandeha.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici