Omaly zoma tokony ho tany amin’ny 11 ora tany ho any, norobain’ny jiolahy ny mpamongady iray tetsy Andravoahangy tsena. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola tao anaty baoritra azo tamin’ny maraina. Ankoatra izany, novakian’izy ireo ny fitaratra iray ary nalainy ny finday napetraka tao. Rehefa azon’ireo bandy izany zavatra izany, lasa nandositra izy ireo. Ny vaovo no nahafantarana fa napoakany ny basy teny aminy, indroa hoy izay nahare, intelo, hoy ny hafa. Tamin’izany no nahavoatifitra olon-tsotra iray nividy zavatra tsy dia lavitra teo. Voa teo amin’ny fitombenany io olona io. Tsy maintsy nentina tany amin’ny hopitaly.
Tamin’ny fotoana nahamaro ny olona teny Andravoahangy no niseho ity fanafihana ity. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa niditra ohatra ny olona hividy entana ireo jiolahy, tsy nanao sarontava. Rehefa teo amin’ilay mpamongady ry zalahy, hoy hatrany ny vaovao, nambanany basy ny tompon’ny tsena hanome azy ny vola. Raha mbola nisalasala teo anefa ilay mpivarotra, tonga dia voavely vato teny amin’ny faritry ny lohany ary naratra mafy tokoa. Hany hery, nomena ireo mpangalatra ny vola tao anaty baoritra. Vao nahazo an’izany ry zalahy dia lasa nitsoka nihazo ny elakelan-trano miakatra ho any Anjanahary, hoy ireo nahita. Nisahotaka ny rehetra teny Andravoahangy. Zavatra tsy miseho eny mantsy ity omaly maraina ity. Fa variana ihany ny mpanara-baovao. Teo ireo izay vao nahare ny feom-basy, nitady toerana hiafenana. Teo koa anefa, voalaza fa maro dia maro, nandeha nijery ny vaovao, tsy nisy tahotra kely akory.
r.s.