- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahabo : Lehilahy iray nalaina an-keriny, nandoa omby 20 sy vola dimy...

Mahabo : Lehilahy iray nalaina an-keriny, nandoa omby 20 sy vola dimy hetsy Ariary ny havany

Raim-pianakaviana iray monina ao Manjarano Kaominina Malaimbady, Distrikan’i Mahabo no nalain’ny dahalo mitam-basy an-keriny tao an-tranony, ary nentin’ireo malaso amboletra nanaraka azy ireo avy hatrany, ny alahady antoandro 10 aprily lasa teo. Tsy afa-nanohitra ity rangahy ity sy ny havany, nanoloana ny vavam-basy. Roa andro taorian’io,  dia nandefa taratasy fandrahonana tamin’ ny fianakavian’ity lehilahy nalaina an-keriny ireo dahalo, ary nilaza fa hovonoin’izy ireo ity raim-pianakaviana raha tsy manome omby vositra  20 sy lelavola dimy hetsy Ariary ny havany.

Ny alakamisy 14 aprily teo no fe-potoana farany nandoavana ireo antoka. Natao io andro io tamin’ny 11 ora ny fifanakalozana tamina toera-mangina somary mihataka ny tanàna. Navosotr’ireo olon-dratsy ilay rangahy rehefa azon’izy ireo ny rembiny. Taorian’io, dia nampandre haingana ny mpitandro filaminana sy ny kaleony tao an-tanàna ny niharam-boina. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia, ka raha vao tazan’ireo malaso lavitra fotsiny ireo mpanara-dia tonga dia navelan’ireo olon-dratsy avokoa ny omby rehetra. Mbola mitohy ny fikarohana an’ireo dahalo, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici