Taorian’ny fahamaizan’ny trano, mahatratra hatrany amin’ny 20, tonga teny an-toerana, omaly hariva, ny prezida Hery Rajaonarimampianina nankehery ireo traboina marobe.
Omaly antoandro, nisy trano may teny Ankasina eny amin’ny faritry ny 67 HA. Araka ny vaovao re teny an-toerana, mahery ny roapolo ireo trano kilan’ny afo ary mahatratra an-tapitrisany maro ny tetibidin’ny entana lasa lavenona. Trano hazo ny ankamaroan’ireo kila ireo, fa eo amin’ny valo eo ho eo ny trano biriky. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa tao amina tokantrano iray no voalaza fa niandohan’ny afo. Tsy fantatra marina izay niseho, fa toa afon-tsaribao ilay izy. Vetivety ihany dia nihanaka teo amin’ireo trano manodidina ny fahamaizana ka ela vao voafehy izany. Samy niady mafy ny rehetra tamin’ny famoahana ny entana. Soa ihany fa tsy nisy ny olona may na naratra na maty tamin’ity loza ity. Tonga teny an-toerana moa ny mpamonjy voina nanampy tamin’ny famonoana ny afo ary nanao izay ho afany na dia tany anaty tanàna saro-dalana aza no nisy ny fahamaizana. Izay no somary nanahirana ny ady natao nandresena ny afo.
Vao nitranga ny firehetana, nitangorona ny olona manodidina liam-baovao. Ao ireo tonga nanome tànana ny traboina, fa teo koa ireo voalaza fa nanararaotra nangalatra tsotra fotsiny izao. Fantatra fa mahery ny 200 ireo traboina. Efa teny an-toerana ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny avy ao amin’ny BRGNC nizaha ny zava-nisy.
Nangonin’i r.s.