« Sarotra ny mampino ny olona ny fisian’ity biby ity, saingy izahay dia mahita azy saika isan’alina » raha araka ny fanazavan’ny mponina iray eo Ankadifotsy, izay nisafidy ny tsy hotononina ny anarany. Io farany dia nanazava fa be volo be ilay biby ary na ny alika aza dia mitsoaka lavitra isaky ny mandalo izy. Raha ny fijeriny azy dia eo anelanelan’ny « ours » sy ny alika, irony vaventy be irony, no toe-batan’ilay biby. « Mitovitovy hatrany ny fandalovany eo amin’ny kartie : manodidina ny amin’ny 11 ora alina. Tamin’ny alakamisy teo izy no somary hita talohan’izay. Ny zavatra tsikaritra dia lasa mitomany valala ny alika eo amin’ny manodidina rehefa mahita avy lavitra an’io biby io », hoy ny fanazavan’ilay vavolombelona hatrany. Tamin’ny voalohany, raha araka ny loharanom-baovao mitovy, dia iray ihany no hita. Nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo anefa dia telo indray no tsikaritr’izy ireo. Ny amin’ny hoe manaikitra ve na tsia kosa dia mbola tsy voavaly izany hatreto. Tsy mbola nisy mantsy taratr’izany teo amin’ny manodidina an’Ankadifotsy. Tsy teo ihany fa nisy nilaza ho nahita biby toa an’io ihany koa teny Analamahitsy. Vetivety dia miely ny feo rehefa misy ny tranga toa izao. Amin’ny lafiny iray dia mandrisika ny olona hody aloha saingy amin’ny lafiny hafa kosa dia miteraka fikorontanan-tsaina ho an’ny mponina izany. Mbola honohono no betsaka hatreto saingy ilay tetsy Ankadifotsy kosa dia vonona tanteraka ilay mponina sendra anay ny hampiantrano ny mpanao gazety izay vonona ka miara-miandry ny fandalovan’ilay biby eo mba hoentin’izy ireo hanaporofoana fa tena misy ilay zavatra…
D.R