Fitsaram-bahoaka avy hatrany no nampiharin’ireo mpianatra tamin’ilay tovolahy nibaboka fa isan’ireo mpangalatra tao amin’ny campus. Ny marainan’ny alatsinainy teo no nitrangan’izany teny an-toerana. Tovolahy miisa telo izy ireo no niaraka tamin’io fotoana io. Nanivaka namaky lalana tao amin’ny tokotanin’ny oniversite. Nanontany azy ireo moramora ireo mpianatra ny amin’ny anton-dian’izy ireo, kinanjo nandositra avy hatrany ireto farany ka ny iray ihany no tratran’ireo mpianatra. Rehefa nandeha ny fanontanina samihafa dia nibaboka ilay farany fa isan’ireo mpangalatra ny fananan’ireo mpianatra ao an-toerana. Teo no nanomboka raikitra ny hatezeran’ireo mpianatra. Efa ela tokoa mantsy no nikarohan’izy ireo ireto mpanao ratsy, hany ka izao tonga tsy nantsoina izao, ary izy niharan’ny daroka sy vono , niafara tamin’ny famoizana aina izao.
Araka ny fanazavana azo tamin’ireo mpianatra, saika isam-bolana dia misy trangana fahaverezana entana foana ao amin’ny campus. Efa am-polony ireo very solosaina, ao ny very tablette ary tsy vitsy ireo very finday. Tsy mbola nisy tratra ireo mpangalatra hatramin’izay na dia efa nisy aza ireo fitarainana samihafa napetraka teny amin’ireo tompon’andraikitra. Ny hany herin’izy ireo farany dia ny nametraka fiandry ka ny samy mpianatra ihany no mifandimby miambina ny tanàna amin’ny alina. Nasina ora ihany koa ny tsy fahafahana mivezivezy ao amin’ny faritry ny oniversite manomboka amin’ny 7ora hariva hatramin’ny 5 ora maraina. Izay tratra amin’io dia anontanina avy hatrany ny momba azy ka rehefa tsy mazava dia faritana ho olon-dratsy.
Ny marainan’io ihany dia efa nijery ny zava-misy teny an-toerana ny filohan’ny oniveristen’i Mahajanga. Teny ihany koa ny tao anivon’ny fokontany sy ny avy tao amin’ny bmh. Ny tao amin’ny fokontany moa nanindry fa tsy mponina ao amin’ny fokontany iadidiany io lehilahy maty io, ny teo amin’ny manodididna rehetra tsy nisy nahafantatra azy ka avy hatrany dia nalefa teny amin’ny “morgue” teny Androva. Ary teny ny havany no nijery sy naka azy.
Tantely Vandriam