- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversOra farany – Andravoahangy : Terantany karàna nisy naka an-keriny

Ora farany – Andravoahangy : Terantany karàna nisy naka an-keriny

Mpandraharaha terantany karàna, mizaka ny zom-pirenena frantsay iray, fantatra amin’ny anarana hoe Zaid, indray no nisy naka an-keriny, omaly alina tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any tetsy Andravoahangy. Raha ny fantatra, an-dalana hody ity terantany vahiny ity, ary teo am-pidirana ny fiarany no nanarahana bandy teo amin’ny efatra teo nitondra basy. Tsy taitra ny olona raha ny vaovao mari-pototra azo fa noheverin’izy ireo fa mpiambina azy. Tsy hita hatreo anefa ny nalehan’ity karàna ity ary rafitra nitady azy ny fianakaviany. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any, raha ny vaovao hatrany, no hita teo Behoririka ity fiarany ity saingy tsy tao anatiny intsony ilay karàna. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy hita tany nanjavonana ity terantany vahiny ity.

nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici