Raikitra indray ny fitokonana omaly teny Ankatso. Ireo mpianatra izay manohitra ny fandoavana 50.000 ariary ho hofan’ny trano vaovao, araka ny fandaminana napetraka, no anton’izany. Amin’izy ireo dia tokony hitovy zo avokoa ny mpianatra ary izy ireo dia tsy tokony handoa vola velively raha hipetraka eny amin’ny “campus universitaire”. Tsy nisy ny korontana fa nisahotahotaka kosa naneho ny tsy fahafampony ireo mpianatra maro. Tao anatin’izany ihany koa dia nanome iray andro ho an’izay tompon’andraikitra voakasika, indrindra ny Croua, izy ireo mba hamaha ny olana. Tamin’ny herinandro lasa teo no nivoaka ny lisitra farany misy ireo mpianatra nahazo fahafahana hipetraka eny amin’io trano vaovao etsy Ankatso io. Vao tsy tena nisy akory ny fipetrahana dia efa raikitra ny…fitokonana. Hitohy anio raha araka ny fanazavan’ireo mpianatra ny fitokonana.
D.R