Mpisakaiza iray teny amina trano fisotroana teny Tsaramandroso no nahatrarana vola sandoka, ny herinandro lasa teo. Loharanom-baovao avy amina olona tsara sitrapo no nanarahana azy. Rehefa natao ny vela-pandrika rehetra, dia tratra teny amin’izy ireo avokoa io vola sandoka 14 tapitrisa ariary io.
Efa saika handoavana ny lany rehetra tao amin’ilay bar ny vola. Soa ihany fa tonga haingana ireo polisy avy tao amin’ny Central Mahajanga be nanao ny fisamborana. Rehefa natao ny fanadihadiana, dia fantatra fa efa nisy tamin’ireo vola no nampiasaina. Ary handeha hoentina any amin’ilay mpaka azy ireo vola ireo no izao tratra izao.
Efa misy mpividy azy io vola io eto Mahajanga arak’izany. Asa efa fanaon’izy ireo entina hisolokina hahazom-bola haingana. Natao ny fikarohana ka tratra ihany koa ny faran’ny herinandro teo ilay ramatoa mpaka sy mpividy ireo vola.
Tambazotra iray lehibe mihitsy no mikirakira ireto vola sandoka kasaina haparitaka ireto. Efa matihanina ihany koa ny fanaovan’izy ireo azy. Tsy misy ahafantarana io vola io mihitsy amin’ny tena izy afa tsy ny taratasy fanaovany azy; izay somary henjakenjana kokoa. Any Antananarivo ny foibeny. Izay tany Ambohipo moa no nahatrarana ny iray tamin’izy ireo vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ireo « brigade criminelle » tany an-toerana. Taorian’ny famotorana, dia mbola tratra tany koa ny efatra ambiny niaraka tamin’ny milina nanaovana ireo vola sandoka ireo.
Valo mianadahy no voasambotra aloha hatreto, mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa. Andrasana izay ho fotoam-pitsarana azy ireo na dia mbola ao anatin’ny fitokonana aza ireo mpirakidraharaha izay lasa fototra mampikatso ireo raharaham-pitsarana rehetra. Andrasana torak’izay ihany koa izay sazy ho azon’izy ireo amin’izao asa ratsy mamoafady izao.
Tantely Vandriam