- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : fakana ankeriny karana, tafiakatra dimy no voasambotra

Antsirabe : fakana ankeriny karana, tafiakatra dimy no voasambotra

Tafiakatra dimy no voasambotra hatreto tamin’ilay raharaha fakana an-keriny ilay karàna teto Antsirabe.

Voafehin’ny mpitandro filaminana tanteraka ny nanavotra ilay karàna nisy naka an-keriny rehefa fantatra fa notazomina tao amina villa iray teny Vatofotsy Mahafaly ilay karàna,  nandritra ny 4 andro. Marihina fa nifanakalo tifitra ny mpitandro filaminana sy ireo mpaka an-keriny nandritra ny ora roa raha ny fanazavana azo nandritra ny valan-dresaka natao ho an’ny mpanao gazety, omaly maraina. Dimy no voasambotra hatreto, ny iray efa azo sambo-belona tany Fianarantsoa  ny telo kosa voasambotra tao amin’ilay trano nitazomana ilay karàna, ny iray izay voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fakana an-keriny ity. Tratra niaraka tamin’izy telolahy ireto tao amin’ilay villa koa ny basy poleta roa izay tena raitra tokoa niaraka tamina bala maromaro sy vodina kalaky iray. Ankoatran’ireo, mbola hita tao  ilay fiara fourgon nakana ilay karàna niaraka tamina moto scooter iray. Marihina moa fa nandritra ny fifampitifirana, dia jiolahy iray tamin’io mpaka an-keriny no voatifitra teo amin’ny feny fa nikasa handositra nitsimbika teny ambony tamboho.

Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa vola 2 miliara no nangatahan’ireo mpaka an-keriny tamin’ilay fianakavian’ilay karàna. Nihena hatrany io vola notakiany io nandritra izay efatra andro nitazomana azy izay. Tsy nahazo anefa na dia ariary aza ireo mpaka an-keriny fa dia izao tratra izao avokoa. Tsy naratra ary tsy nampijaliana ilay karàna fa dia notazomina tsara tao an-trano fotsiny ihany. Araky ny nambarany moa dia azony avokoa izay nilainy rehetra eny fa navelan’ireo jiolahy hivavaka izy rehefa tonga ny ora fanaovany izany. Ara-dalana ny sakafo hoy izy nanazava,15 minitra dia tonga izay tadiavina,rehetra. Tsy nisy ny herisetra fa tsy mahazo miala eo ambony fandriana ny tenany miaraka amina mpiambina iray mitana kalaky. Misaron-tava avokoa ireo jiolahy ao an-trano fa rehefa sarona kosa ny tavako dia ny azy no miala hoy hatrany ilay karàna nanazava.

Araky ny fanazavana hatrany moa dia mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, nanamafy ny kaomisera divisionera Talily Damy fa isan’ny nampanano sarotra ny fanadihadihadiana ny tsy nahazahoana vaovao tamin’ny fianakaviany noho ny fahatahorana ny ain’ilay havany nisy naka an-keriny io. Tsy nipetra fotsiny anefa izahay fa nanao ny asa ka izao nahitam-bokany izao hoy hatrany izy nanazava.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici