Miandry izay ho fanapahan-kevitra amin’ny fifidianana izay hatao amin’ny volana jolay izao, izay efa lamina fanao eo anivon’ny fiangonana loterianina Malagasy amin’ny fanovànana ny rafitra misy hatrany ifotony sady ahafahana mandray ny fanapahan-kevitra, hoy ny nambaran’ny pastora Manamaro Ferdinand, mpitandrina eo anivon’ny FLM Antanamandroso Moramanga.Vonona ny tenany hanaraka izay rehetra fanendrena azy, satria hampita ny sy hampiely ny soratra masina no asa anirahana azy .Na teo aza ireo tranga maro milaza ny momba azy tamin’ny sora-baventy dia ny nanao ny tatitra tany amin’ny mpitondra fanjakana no nataony ka nahatonga an’ireo mpitandro filaminana nidina teny an-toerana hanara-maso izay mety hihoa-pefy.Nampahafantarina sy nanaovana tatitra avokoa ireo mpitondra ara-panjakana manakaiky hatrany ity raharaha ity ary anisan’ny mandray ny andraikiny. Ny ao anatin’ny rafitry ny fiangonana kosa dia manaraka akaiky, satria manana ireo komity miandraikitra ny synaodam-paritany izy ireo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, satria izany no fitsipipi-fehezana misy eo amin’ity fiangonana ity.Nilaza ihany koa ity mpitondra fivavahana ity fa anisan’ny olona nofidian’Andriamanitra ny mpanao gazety ka tsy mendrika hanaovana herisetra na koa raràna amin’ny asa ataony satria anisan’ny asa voasoratra anaty baiboly ity asa ity, toy ny nataon’i « Lioka ». Ireo rehetra ireo no fantatra tamin’ny alalan’ny fifampiresahana tamin’ity pastora ity ny talata 19 aprily tao amin’ny fiangonana FLM Antanamandroso Moramanga.Eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny komity miandraikitra ity raharaha ity avokoa ireo kristianina.
CATHY



