- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpanjono iray tsy hita popoka natelin’ny ranomasina

Toliara : Mpanjono iray tsy hita popoka natelin’ny ranomasina

Mpanjono iray navadiky ny lakana no tsy hita popoka natelin’ny ranomasina nanomboka ny 18 aprily teo, tany Toliara. Raha ny vaovao voaray dia niainga vao maraina tao an-tranony toy ny fanaony isan’nadro ity raim-pianakaviana iray 43 taona handeha hanjono. Tsy niverina nody izy, nefa ireo namany niara-niainga taminy vao mangiran-dratsy tonga tao an-tanàna avokoa tamin’ io. Taitra nanoloana izany ny fianakaviana ka nanao ny fikarohana rehetra. Ny talata rehefa lany haiky ireto havany tamin’ny fikarohana azy tsy nahitam-bokany dia natao ny fomban-tany. Nitohy hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra ny fikarohana na dia tsy manantena ny hahita azy velona aina intsony aza ny havany izay kivy tanteraka, raha araka ny vaovao voaray hatrany.
Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici