- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Dahalo tratran’ny fokonolona, maty nodorana velona

Betafo : Dahalo tratran’ny fokonolona, maty nodorana velona

Nanjaka indray ny hatezeram-bahoaka tany amin’iny faritra Betafo iny. Ny talata antoandro teo, dahalo mpangalatra omby efa ela nifampitadiavan’ny fokonolona no niharan’ny hatezeran’ireto farany. Niafara tamin’ny famonoana ho faty mihitsy izany, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Maty nodoran’ireo fokonolona velona mantsy ity lehilahy, voarohirohy ho dahalo ity. Tany amin’ny toerana antsoina hoe Manapa, fokontany sy kaominina ao ihany no nitranga ity valifatin’ny fokonolona. Raha ny fantatra mantsy dia nisy dahalo rain-dahiny efa nikoizan’ireo mponina tany amin’iny faritra iny. Dahalo fantatra amin’ny anarana hoe Saly Be. Efa ela nikarohana azy ireo ny mponina saingy tsy hita tany nanjavonana foana ity lehilahy ity. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana hatrany mantsy dia tsy manana toerana ipetrahana raikitra ity lehilahy, voalaza fa malaso ity fa mifindrafindra tanana sy mandehandeha eny rehetra eny. Io talata antoandro io izy no sendra tsikaritry ny fokonolona, nandehandeha teny an-tsena. Nifandrimbona avy hatrany ireo mponina niezaka nisambotra azy. Ary dia azo sambom-belona sy voatana teo am-pelatanan’ireo fokonolona ity voalaza fa malaso ity. Tsy nisy alaharo alaharo na niandry ny mpanam-pahefana ireto mponina, izay efa leo tanteraka ny asa ratsy nataony, raha ny vaovao hatrany fa avy hatrany dia nampihatra ny hatezerany tamin’ity lehilahy ity. Niafara tamin’ny fandoroana azy velona mihitsy izany, araka ny fampitam-baovao hatrany. Namoy ny ainy vokatr’izany i Saly Be. Teo anatrehan’izany savorovoro izay dia nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary, niaraka tamin’ny tompon’andraiki-panjakana isanisany, nizaha ny zava-nisy. Efa tsy nisy azo natao intsony moa nahakasika ity lehilahy voalaza fa dahalo ity. Na izany aza, efa eny am-pelatanan’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Betafo ny raharaha. Raha efa nangingina tokoa ity resaka fitsaram-bahoaka miafara amin’ny famonoana ho faty ity dia miverina indray izany ankehitriny. Amin’izay lafiny izay, efa tsy tena tsy voafehin’ireo tompon’andraikitra tokoa ity resaka tsy fandriampahalemana izay miha-mirongatra tanteraka ity ka mihoa-pefy ny vahoaka. Vao andro vitsivitsy lasa tokoa mantsy no nisy tovolahy voalaza ho mpanao asa ratsy matin’ny fitsaram-bahoaka tao an-drenivohitr’i Boina tao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici