Ireo olona mandeha fiara ary mijanona kely mividy zavatra no tena ataony lasibatra. Manatona avy hatrany izy ary mody mangataka. Rehefa tsy manome ilay olona, dia tsy mety miala izy sady mandrahona. Tamin’ity indray mitoraka ity dia sendra nanana ireny etona mahalatsadranomaso ireny ny mpamily. Nampiasainy izany mba ho fiarovana ny ainy. Raha noheverina fa efa lasa ilay olona, hay izy niverina indray ary mbola nandrahona fanindroany. Teo dia voatery nandainga ary nilaza fa haka basy ao anaty « boîte à gang » no sady mody nanokatra izany. Io fihetsika io ihany koa no nahatonga ilay mpandrahona natahotra ka nitsoaka teo amin’ilay toerana. Heverina fa efa misy namany miandriandry eo amin’ny manodidina eo ary miandry sioka tokana fotsiny izany dia miditra an-tsehatra ary ny handroba no tena tanjon’ireo. Saingy mba sendran’ny olona sahy ireo olon-dratsy tamin’ity indray mitoraka ity…
D.R