Araka ny vaovao voaray avy tany an-toerana, dia voalaza fa mirongatra ny tazomoka any amin’ireo kaominina saro-dàlana sy mitoka-monina ao anatin’ny distrikan’i Maevatanana, fa indrindra indrindra ,ireo tanàna manamorona ny reniranon’i Betsiboka, ka lasibatra amin’izany ireo zaza latsaky ny 5 taona, sy ireo reny mitondra vohoka. Tsy vitsy ireo zaza maty eo am-piterahana sy ireo zaza latsaky ny 5 taona.
Na dia misy aza ireo fepetra raisin’nymponina ho fiarovana ny tazomoka, dia tsikaritra fa tsy mahomby intsony ny fampiasana ny lay misy odimoka, hoy ity raim-pianakaviana ity eo am-pandevenana ny zanany roa, ny iray latsaky ny 5 taona ary ny iray maty teo am-piterahana, ny alakamisy 21 aprily .
Praiministra. Nanomboka tamin’ny volana marsa, dia mbola tsy latsaka ny orana any an-toerana, ka manahy mafy ireo tantsaha mpamokatra, fa tsy ho lavorary ity taom-pambolena ity. Mafana be ny andro, mahatratra hatramin’ny 38° ny hafanana. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka amin’ny tsy fahandriampahalemana misy any an-toerana. Amin’ny ankapobeny, dia tsy misy “réseau” ireo toerana ireo, ka mananon-tsarotra amin’ny fifandraisana. Koa manao antso avo amin’ireo mpitondra fanjakana tarihin’ny praiministra Mahafaly Olivier Solonandrasana (zanak’i Mahajanga), ny vahoaka tsy vakivolo mba hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana.
Anastase