- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpanendaka tsy ampy taona efatra voasambotra

Itaosy : Mpanendaka tsy ampy taona efatra voasambotra

Nihena efatra indray aloha izany ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny. Voasambotry pôlisy avy etsy Itaosy mantsy ireo kilongalahy mpangarom–paosy sy mpanao sinto-mahery nampikaikaika ny mponina teny amin’iny faritra iny, ny talata lasa teo. Nisy efatra izy ireo, ary samy tsy ampy taona avokoa raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisy hatrany. Ny telo amin’izy ireo dia efa nigadra avokoa, noho ity resaka ity hatrany. Teo am-pisiontonana findain’olona ny telo lahy no nenjehin’ny fokonolona ka tratra ny iray. Ity farany no nitarika ny fisamborana ireo namany hafa teny amin’iny faritra Anosizato iny. Omaly izy ireo no natolotra nohenoina teny amin’ny Fampanoavana ary inoana fa dia hivantana avy hatrany indray any amin’ny fitaizana zaza maditra. Saingy mipetraka indray ny ahiahy hoe, firy taona sa firy volana sa mety ho firy andro ry zalahy no any dia indro miverina indray manohy ity asa ratsiny ity. Raha ny tsapa tokoa mantsy, dia efa maro ihany ireo voalaza fa mpanendaka no voasambotra etsy sy eroa. Maro amin’izy ireny ny hoe efa nigadra im-piry im-piry, saingy mbola iny miverina ihany. Aiza araka izany ny lesoka ? Toa tsy ho fongana velively tokoa mantsy ity resaka fanendahana ity raha mbola sary toa izany hatrany no mitranga. Amin’izao fotoana izao aza moa, dia efa tsy menatra ny mandratra sy mandatsaka ain’olona mihitsy ireto tontakely ireto, mba hangalana izay vola kely amin’ireo lasibatra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici