- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Rangahy 50 taona maty nony naheno naheno ny fahatesan’...

Toliara : Rangahy 50 taona maty nony naheno naheno ny fahatesan’ i Prince

Lehilahy iray manodidina ny 50 taona mahery no maty tampoka nitambositra, ny asabotsy teo, tany Toliara. Raha ny loharanom-baovao voaray, dia taitra mafy tamin’ny fahafatesan’ilay mpihira amerikana Prince ankafiziny ity rangahy taizan’ny aretim-po ity, ka safotra tsy nahatsiaro tena, ary nentina haingana hamonjy dokotera nefa teny an-dàlana dia tapitra ny ainy. Raha ny fantatra, dia maro amin’ ny olona ao Toliara no makafy sy miondana ny sangan’asan’ity mpanankato amerikana 57 taona mirefy 1,57 m ity, ary tsy afaka am-bavan’ny maro ny hiran’i Prince Rogers Nelson (tena anarany feno) mitondra ny lohateny hoe :  “Purple Rain” . Marihina, fa tsy mihinan-kena (végétarien) ity artista amerikana fanta-daza ity, ary tsy nitomany na latsa-dranomaso mihitsy hatramin’ny fahatanorany na dia namoy ny ainy aza ny zanany, ny taona 1996.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici