Tranga nampihoron-koditra no niseho tany amin’ny kaominina ambanivohitr’ Antanimora any amin’ny distrikan’ Ambovombe Atsimo, ny asabotsy teo. Tovovavy iray 21 taona nandeha nantsaka rano hariva no naolana efadahy samy efa mamomamo; izay voalaza fa nitondra fitaovam-piadiana. Raha araka ny vaovao voaray, dia somary mihataka kely ny tanàna ny toerana misy ny fakana rano. Efa nanomboka maizina ihany koa ny andro tamin’io sady nangina tsy nisy olona nivezivezy sy nandalo intsony teny amin’ny manodidina, ka niliba sy nanarampo tamin’ny filan-dratsy ireo dahalo. Nifandimby nanao ny filan-dratsiny izy efadahy ka efa nalemilemy tsy nahazaka aina intsony ilay tovovavy tsy afa-nanohitra dia nilaozan’izy ireo tao anaty kirihitr’ala, hoy hatrany vaovao azo. Tsy ny mponina ihany no kere amin’ny Faritra Androy iny, fa hatramin’ny olon-dratsy mosarenan’ny filana ara-nofo amin’ny fomba mamoehitra feno herisitra.
Eric Manitrisa