- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Jiolahy iray no maty voatifitra

Ambilobe : Jiolahy iray no maty voatifitra

Efa ela nokarohina ry: Nono , Patrice, Saindo , Bagnany, izay voalazan’ny mpitandro ny filaminana fa mpandrava, mpanafika ary mpanakoronta ny fiarahamonina saika ato amin’ny faritra DIANA iray manontolo. Mampahalaza azy ireo, ny fanafihana tany Betsika toerana izay misy ny fitrandrahana volamena. Ny farany teo, dia nisy vola 9 millions Ariary no lasan’izy ireo. Voasambotra ireto jiolahy ireto, ny alakamisy teo noho ny fiaraha-miasan’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka. Misy enina mirahalahy izy ireo, fa ny tena mitazona ny fitaovana mahery vaika araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary, dia i Nono , ilay maty voatifitra. Raha nanontaniana izy tamin’izy voasambotra, dia niaiky ary nanambara fa any aminy ilay fitaovana ka any Isesy, eo amin’ny 10km miala tanànan’Ambilobe no misy azy. Nanazava ny Jeneraly Patrick Tsivahiny komandin’ny zandarimariam-pirenena , fa efa ela no nitadiavana ireo olona ireo. Nambarany koa fa mila hanafika tobin’ny zandary ny  fianakavian’ny maty; izay tsy mino ny zavatra nahavoarohirohy ny havany. Raha ny zavatra nitranga tao Ambilobe, omaly, dia saika nanao rodobe handeha amin’ny tobin’ny zandary ny fianakaviana, saingy niverin-dalana. Mbola atahorana izany androany araka ny nambaran’ny jeneraly, satria hiala eto Ambilobe ny razana hoany amin’ny faritra SOFIA iny. Misamboaravoara ny vaovao miely avy amin’ny vahoaka hatramin’izao momba io raharaha io. Nidina any an-toerana ireo tompon’andraikitra rehetra avy aty Antsiranana; izay notarihin’ny Prefet-n’ Antsiranana Banoma Arsène. Ho hita eo ihany ny ho tohin’ny tanatara, satria tsy mbola misy vaovao maro  navoakan’ny mpitandro  filaminana.

V.JCL

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici