Tovolahy iray, fantatra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena no hita faty tao anaty dobom-pilomanosana ana toerana fandraisana lanonana iray teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny, ny sabotsy lasa teo. Fantatry ny maro eo amin’ny taranja haiady ity tovolahy ity, teo amin’ny taranja judo sy jiujitsu. Raha ny fantatra, dia nandeha niaraka tamin’ny namany tany amin’ity toerana fandraisana lanonana ity izy. Rehefa avy nisakafo dia nanapa-kevitra ny lehilahy fa handeha hilomano. Ela anefa izy tsy niverina, saingy tsy nahataitra ireo namany izany. Tovovavy kely no nahita azy nantsingevan’ny rano ka nampandre ireo namany. Tamin’izay vao nikoropaka ny rehetra namonjy azy. Nentina tany amin’ny hôpitaly ity mpanao haiady ity saingy raha ny fantatra, dia efa tsy izy intsony izy ary efa ela no namoy any ainy. Maitre Tita no ahafantaran’ireo mpitia haiady judo azy. Efa mpitsara nasionaly tamin’ity taranja ity rahateo ny tenany, raha ny loharanom-baovao azo. Namiratra ihany koa ny lehilahy teo amin’ny jiujitsu. Fantatra fa anio no halevina ity mpikatroka haiady, namoy ny ainy ity.
D.R