- Publicité -
dimanche, septembre 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanga Rova : Razana telopolo isa nanjavona tao am-pasana

Ambohimanga Rova : Razana telopolo isa nanjavona tao am-pasana

Fasana iray tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambohitrandriamanjaka no  nisy namaky. Tamin’ny aprily tamin’ny taon-dasa izy io no nisy nandevina farany ary efa feno bozaka naniry teo amboniny ka tsy fantatra mihitsy hoe nisy namaky. Akory anefa ny hagagan’ny olona tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo fa raha nohadiana ny bozaka, hay efa goaka be ny tao ambaniny tao ary efa nisokatra tanteraka ny varavaram-pasana. Nikorontana ambony ambany ny razana rehetra nilevina tao anatiny tao ary rehefa natao ny fanisàna dia taolan-dava miisa telopolo no  tsy hita.

D.R.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici