Omaly maraina be no fantatra fa namoy ny ainy ilay mpitondra taxi, niharan’ny lozam- pifamoivoizana teny Andraharo ny alahady hariva teo. Raha tsiahivina ny zavatra niseho dia toy izao. Niharan-doza ity fiara ity raha nikasa handeha hody ny mpamily. Voalaza fa niala lavaka anefa izy ary nidofotra tamina andrin-jiro iray. Naratra teo amin’ny lohany izy ary tsy maintsy nentina tany amin’ny hôpitaly. Natao ny alanenina fa tsy nahitam-bokany. Fantatra tamin’ny taratasy hita tao anaty fiara ny adiresy nisy ny toerana nonenany ary avy amin’izany no nahalalana ny fianakaviany. Omaly ihany dia efa nalain’ny havany ny razana.
r.s.