- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovovavy namono tena noho ny olana ara-pitiavana

Toliara : Tovovavy namono tena noho ny olana ara-pitiavana

Tsikaritra tato ho ato ao Toliara ao fa nitombo isa ireo tanora vavy mandraingiraingy tavela voadona ara-pitiavana, ka lasa mirona amin’ny famonoan-tena noho ny fahadisoam-panantenana, indrindra ireo tovovavy sodokan’ny vola mifankatia amin’ny vahiny na vadin’olona. Tovovavy iray sahabo ho 25 taona nilaozan’ny olon-tiany no namono tena nitelina fanafody samihafa, omaly naraina tokony ho tamin’ny 10 ora, tao amin’ny fokontany Amborongony. Izy efa tsy nahatsiaro tena nivoaka faroratra fotsy madinty teo amin’ny vavany no hitan’ny reniny avy niantsena. Raha ny fanazavana azo dia nisakaiza tamina vadin’olona efa ho roa taona ity tovovavy ity. Nisarahan’ ity raim-pianakaviana ity izy ny talata teo noho ny fanajan’ity farany ny voady masin’ny tokantranony. Tsy nahazaka izany fisarahana tampoka tamin’ny vadikeliny izany razazavavy latsa-nenina ka nikasa nanapitra ny ainy rehefa avy niboboka toaka vao maraina. Raha araka ny vaovao farany azo dia mbola manaraka fitsaboana miady mafy amin’ny fahafatesana ity tovovavy namoy fo ity.

 Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici