- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tsy ampy taona telo nanendaka, saika matin’ny olona

Toliara : Tsy ampy taona telo nanendaka, saika matin’ny olona

Nirongatra tato ho ato ny asa ratsy tamina faritra maromaro ao Toliara tampon-tanàna, ary roboka hatramin’ny boaikely mandroba. Afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any, dia ankizy tsy ampy taona telo, manodidina ny 16 taona avy, izay voalaza fa mpianatra ny roa, no tra-tehaka rehefa avy nanendaka ramatoa be iray manodidina ny 50 taona, avy naka vola tamina toerana fakam-bola iray amin’ny alalan’ny finday ireny tao Sanfily. Lasan’ireo tontakely tamin’izany ny vola valo alina ariary. Nikiakiaka nila vonjy ity renim-pianakaviana ity, ka raikitra avy hatrany ny fanenjehana ny olon-dratsy.

Avy any Fianarantsoa. Tsy lasa lavitra dia voahodidin’ny mponina ary noraisim-potsiny sy niharan’ny hatezeram-bahoaka izy telolahy, ka naratra mafy noho ny daroka sy vono nihatra tamin’izy ireo. Saika handositra niaraka tamin’ny vola avy norobainy ny iray tamin’ireo mpanao sinto-mahery izay voalaza fa lehiben’ireto tontakely, kanefa voatora-bato ka safotra. Raha ny fantatra araka ny fanamarinam-baovao, dia avy any Fianarantsoa ity sefo deban’ny mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy torana ity, ary efa manana tambazotra kely mihitsy amin’ny fanaovana asa fandrobana, indrindra ny finday sy vaky trano ary hala-botry, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici