Nanao ilay antsoina hoe “operation volamena” ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany etsy Analakely, ny tontolo andron’ny alarobia 27 aprily teo. Vehivavy telo no nosamborina tamin’izany, tokony ho tamin’ny 12 ora. Ireto olona nosamborina ireo, dia voalaza fa mpividy volamena tsy ara-dàlana eny amin’ny manodidina eny. Anisan’ny mahabetsaka ny mpanao sinto-mahery ny fisian’ireny mpividy tsy ara-dàlana ireny. Maro dia maro moa ny fitarainana tonga any amin’ny biraon’ny polisy mikasika izany. Omaly alakamisy no natolotra ny Fampanoavana izy telo vavy ireo.
nangonin’I r.s.