Olona efatra efa malaza ratsy amin’ny fanaovana sinto-mahery eny amin’ny Esplanade Analakely, no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany Analakely. Lehilahy ny telo ary vehivavy ny iray amin’izy ireo. Ireo telo no voalaza fa “mpisam”. Ilay ramatoa kaso no no mandray sy manafina ny halatra. Ny 24 aprily teo, tamin’ny 4 ora, nahazo fitarainana ny mpitandro filaminana fa tratran’ny sinto-mahery ny olona iray teny amin’ny toerana voalaza ery ambony. Lasa tamin’izany ny paoketra misy vola 248 000 ariary. Nandeha teny an-toerana ny polisy ka tratra ny lehilahy iray. Io indray no nanoro ireo namany; izay nosamborina ny ampitso.
Rehefa nofotorana izy ireo, dia nilaza fa ireto telolahy no miaraka manao ny asa ratsiny. Rehefa hitan’ilay olona voaendaka moa ny iray, dia nanamafy ity farany fa io tokoa no nanendaka azy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa nigadra avokoa ry zalahy ireo ary izao mamerin-keloka izao indray.
r.s.