#-Imeritsiatosika. Mpampianatra maty nisy namono. Tovolahy iray mpampianatra ao amin’ny CEG Ambohimpandrano no hita faty tao amin’ny toerana antsoina hoe Andriamanara, ao amin’ny fokontany Ambohimpandrano, kaominina Imeritsiatosika. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity tovolahy vao 31 taona ity, raha ny fampitam-baovao azo. Nahitana ratra mantsy teo amin’ny hatony ary nivoaka rà ihany koa ny orony. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireo zandary no nisamborana olona roa, mpiray tanana amin’ity tovolahy ity ihany, voarohirohy tamin’ity raharaha famonoana mpampianatra ity. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana.
nangonin’i m.L